Je vous souhaite

Je vous souhaite
BONNE ANNEE
2009
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le samedi 20 décembre 2008 01:43

Sao mba tsy rariny

Sao mba tsy rariny
Efa nivoady anie ianao
Ny tsy ho tia mihoatra izao
Nilokaloka tsy handao
Raha mitempo ny fonao;
Tsy maina akory ny lamba nosasana
Lasa ianao, tsy tamana.

Efa mba nahavita izao sy izao
Diso efa fantatrao
fanazaran-tena angaha ny anao ?
Any vao tena kilalao.
Nianantsika ny matsiro indrindra
Izay ianao vao nifindra.

Ilay rova sarobidy
nahitako hafanana
sahinao noravàna !
Ianao anie mahalala :
izaho ilay tia adala.

Izaho lany ron-doha
Tsy nirohy fo
Mba hikaroka izay mahasoa
Nony maty ve ny voay
Dia ny hafa indray
No hiravaka imasoko ilay nisasarako e ?
sao dia mba tsy rariny ?
Sao voan'ody fitia ?
Sao dia mba tsy rariny ?
Sa ve fo vato ny an-dry ?

Neny a ! Marary anie dada e !


Ny tody anie ka eny an-dalanao eny
Saingy tsy mba miteny,
Ny tsiny koa lolohavinao ombieny
Maiva-mavesatra izy ireny.
Tsy vali-vaty no mikotrika anaty
Fa tsy maintsy hoe Mahatanty
Todim-pitia iray hatrany no andrasana eto an-tany
Mba hovalin'ny tomany
Maharary anie izany
Ny aza voany ihany.

Izaho lany ron-doha
Tsy nirohy fo
Mba hikaroka izay mahasoa.
Nony maty ve ny voay
Dia ny hafa indray
No hiravaka imasoko ilay nisasarako e ?
sao dia mba tsy rariny ?
Sao voan'ody fitia ?
Sao dia mba tsy rariny ?
Sa ve fo vato ny an-dry ?
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 11 décembre 2008 11:53

foiko manontolo

foiko manontolo
Ny fahazazako sy ny nofy tao
Samy nangalako natokako ho anao
Zay rehetra lasa sy zay mbola kinasa
Foiko manontolo, omena anao(2)

Ny fahatanorako, voninkazo soa
Tsy mba norarako notoazako avokoa
Dia ataoko ho amboara
Mirindra sady tsara
Foiko manontolo, omena anao(2)

Ity tonokalo izay hiraiko ity
Tsy mila atakalo fa vokatra fitia
Hatramin'ny aiko
Izao ihany no lazaiko:
Foiko manontolo omena anao
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 11 décembre 2008 11:38

TSY KIVY

TSY  KIVY
Sao heverinao kilalao
Izao hirako izao
Lava volo tsy be teny be gitara hoy ianao
Nefa tsy hainao ,tsy fantatrao

Tsy lasana ny manaraka intsony
Ny rendrarendran'ny satana sy demony
Andriamanitra fitiavana
Hivavaka aho eh! Hidera ny Ray
Ka hivavaka aho ê, hitsaoka ny Ray

Fa na ory aho na tomany
Tsy ahoako intsony izany
Mbola hoavy ilay andro ilay andro hifaliana
Hijinjana ny rehetra nihafiana

Ny fiainana mitsimbalivaly
Ao ny tsara sy ratsy mifandimby hatrany
Anao ny safidy raiso ny tena izy
Fa Jesoa no iray ê, mandrakizay
Fa Jesoa no iray, Mpamonjinay
Jesoa no iray mandrakizay
Fa Jesoa iray , Zokinay

Aoka re ho fantatrao ê
Fa novonjena tokoa ianao
Tamin'ny Ran'i Kristy tonga tety
Iraka avy any an-danitra any
Nanafatra, mifankatiava tsara
Mifanaja, Mifanaraha, Mitandrina ny lalana
Ao amin'ny Ray ê mandrakizay
Ny toetran'ny Ray, Andriamanitra
Masina (3)x2
Ao amin'ny Ray ê mandrakizay
Manaja ny Ray Andriamanitray
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 11 décembre 2008 11:26

Raha mila fanampiana ianao

Raha mila fanampiana ianao
Ka misy tsy mety ny hatao
Tsarovy aki eh !! fa any ho any
Misy namanao tena tia anao

Miandry fotsiny miandry pihy maso
Miandry ho kopahin-tanana
Fa vonon-kijoro handresy ny ankaso
Satria izany no tena namana

Raha misy zavamam-pahory
Ka mila tsy ahita tory
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Mahantra sy osa mahantra harena
Nefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kianampy satria tia
Tsy mitady valiny sanatria

Raha matsiaro ireny ianao indray
Na marary nefa tokana iray
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia

Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo hatsaharo
Fa na ali-mikitroka na oram-baventy
Ho tonga tsy ho ela fa vetivety

Fihavanana tsy ho rava no ho hita ao
Fa madio sy hamairatra foana
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao hatrany hatrany
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 11 décembre 2008 11:06