Radotax

Raha tsy mba misy zava -mahavoa
Zay vao mahalala anao ry Tsitoha
Nefa ianao tsy mba manidy fo
Ny fitiavanao dia mamindra fo
O o o dia mamindra fo

Raha ny adalana izay vita tety
Zao sy ianao lay ondry nania
Zao rehetra dia azo atao tokoa
Zao rehetra izao tsy dia mahasoa
O o o tsy dia mahasoa

Efa fantatrao fa ilay namonjy anao
Mbola mifona ho anao hatram'izao (x2)

Efa miomana ve isika izao
Raha tonga ny fandaozana ety
Lalana roa no azo aleha
Paradisa soa sa ny afo be
O o o sa ny afo be

Andeha isika andeha hibebaka
Mba handray ny famelan-keloka
Sambatra izay voavela ny helony
Tsisy fitaka ny fanahiny
O o o ny fanahiny

Efa fantatrao fa ilay namonjy anao
Mbola mifona ho anao hatram'izao (x2)
Radotax
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 16 septembre 2008 10:33

Radotax

Mahatsiaro anao ry dada ô,ireto maminao re
Mifaly mikorana,mitafy ranomaso
Fitiavanao ry neny, tsy misy mahasolo
Masiaka dia masiaka, kanefa be ronono.

fiv :
Dada ô, neny tiako e
Nahoana dia nilaozanao re
Mangina e, mangina ny akany kely
Mandria am-piadanana ianareo.

Mafy anie ka mafy ny nilaozanareo
Laha-janahary izao ka hozakaina ihany
Mipitrapitra irery ireto maminao re
Nofy ihany sisa no hiantana alahelo.

Radotax
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 16 septembre 2008 10:10

Radotax

Radotax
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 16 septembre 2008 09:57

Radotax

Radotax
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 16 septembre 2008 09:46

Tsara ve?

Tsara ve?
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mercredi 21 mai 2008 05:39