« Retour au blog de rado75

foiko manontolo

foiko manontolo
Ny fahazazako sy ny nofy tao
Samy nangalako natokako ho anao
Zay rehetra lasa sy zay mbola kinasa
Foiko manontolo, omena anao(2)

Ny fahatanorako, voninkazo soa
Tsy mba norarako notoazako avokoa
Dia ataoko ho amboara
Mirindra sady tsara
Foiko manontolo, omena anao(2)

Ity tonokalo izay hiraiko ity
Tsy mila atakalo fa vokatra fitia
Hatramin'ny aiko
Izao ihany no lazaiko:
Foiko manontolo omena anao
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 11 décembre 2008 11:38

« Article précédent : TSY KIVY

Article suivant : Sao mba tsy rariny »