Andriamanitra avo

 Andriamanitra avo
Andriamanitra avo




Toa tsy ho ela dia ho foana izao tontolo izao
Soa ihany aho fa nihaona sy nahalala anao
Fa teny amoron-kady ny antsana no tazana
Nitodika aho nitady tsy sandry ihantsampazana
Ny manodidina ahy toa maona sy pokaty
Ny hatsaram-panahy nandositra sa maty?
Na ny fitserana aza lasa nandao koa ny fo
Tsisy teny ahalaza ny alaheloko

Indrisy ny fitiavan-tena
Ny loharanon'ny maloto
Tsy mety ritra tsy hay fefena
Ka lasa rano fisotro
Tsy misy atahorana
Hitsakitsahina daholo
Nahilika nodorana
Ny Fahendren'ny Ntaolo

Fa tonga ianao nivatsy finoana sy fitiavana
Handresy ireo ratsy hampiray, hampihavana
Ka ny fitiavana no hasetriko ny sompatra
Ny manodidina ahy ny fony iriko hisokatra

Fa tsisy lalan-tsarotra
Na fitsapana mety handavo
Fa ao hitsinjo hanavotra
ANDRIAMANITRA AVO
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mercredi 30 janvier 2008 01:19

Slt ça va!!!

Slt ça va!!!
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 29 janvier 2008 03:43

Asa ianao raha ohatr'anay

Asa ianao raha  ohatr'anay
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 29 janvier 2008 03:17

RAHA SENDRA

RAHA SENDRA
Raha sendra raho-mitatao, ny androm-piainanao
Manantona azy
Fa omeny anao, ilay famonjena
Avy aminy

Tojo sampona angaha, fahasahiranana koa
Aza kivy amin'izany
Fa omeny anao, ilay famindram-po
Avy amin'ny Ray

Ref: Tsy misy izay tsy nomeny
Izay nangataka taminy
Ireo miantso azy avy hatrany dia nekeny
Raha fantany fa mahasoa izany

Malok'ila angaha, izato làlanao
Mahaketraka
F'io ny lanitra tsy mba miangatra io
No hanampy anao, tsy ho reraka

F'ao ilay Ray be fitia, niandry ireo zay nania
Manantona azy
Fa omeny anao, fitahian-dehibe
Avy aminy

[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 28 janvier 2008 08:31

Tandremo

Tandremo
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 28 janvier 2008 08:24