Ho avy tsy ho ela

Ho avy tsy ho ela


Na mirona aza ny kotroka
Na mitraho ilay rahona mainty
Mbola ho avy aho hamangy anao
Na erika makarary an-doha
Na orana mikija
Mbola ho avy aho hamangy anao
Fa tsy misy ny hahasakana ahy raha ny eritreritro foana no mitondra ahy,ho tanterahiko ihany ny famangiana anao
Na migaina aza ny masoandro
Na hidanika ny hafanana
Tsy maintsy ho avy aho hamangy anao
Na ngoly sy hamirifiry ny hatsiaka ririnina
Tsy maintsy ho avy aho hamangy anao
Fa tsy misy...
REF:Ho avy tsy ho ela fa malahelo anao
K'aza malahelo ianao
Ho avy tsy ho ela fa malahelo anao
Efa ela loatra aho no tsy nahita anao
Ho avy tsy ho ela fa malahelo anao
Tsy hiandriandry aho hanainga izao dia izao fa maika ny hahita anao
Ho avy tsy ho ela
Na hodiaviko tongotra avy eto mankany Paris,tongako ihany any raha any anao
Na mbola hakariko aza hatrany Etazonia,tongako ihany
any raha any ianao
Fa tsy misy...
REF:Ho avy tsy ho ela...

Ho avy tsy ho ela
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 28 janvier 2008 04:27

Asa ianao raha ohatr'ahy


ASA IANAO ....


1- Asa ianao raha ohatr'ahy ..
fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko ho zakaina irery
asa ianao raha ohatr'ahy ...
fa ny hasambara-keliko eto an-tany dia tsy tokony ho toloko velively
tsy ilaina akory angamba hoy aho ny mitantara lava izay manjo
mety ho maizina ny tany fa atrakaho ny loha
mety ho ratsy ny androany fa rahampitso no soa
satria efa voasoratra fa samy mba mizaka ny hazo fijaliany
samy manana kapoaka kely nisotroany ny rano tsy tiany

2-Asa ianao raha homba ahy
fa maro ireo mizàka fahoriana mila avo roa heny ny misy azy
asa ianao raha homba ahy
kanefa tsy misoka-bava kely dia akory tsy midika hoe tsy mahavita lava
ezahiny afeniny ny tsikiny eny an-tavany ny hakiviana
vao maika volamena ho azy ny mangina
vao maika harena ho azy koa ny fihafiana
na dia fadiranovana aza izy tsy hitakiky aminao izay anjara
fa raha mbola misy fofon'aina hijoroany
dia aleony mijaly!

3-asa ianao raha hino ahy
fa aleo mizàka tena dieny izao sao dia mba ny any aoriana no tsy ho zaka
asa ianao raha hino ahy
fa mafy koa raha mafy fa ireo hava-tiana no tonga mpandatsa
ny hambo-po anananao tsy noho ny nindramana ny nataonao kosa
ny maha ianao anao no ataovy miavosa
kanefa na dia izany aza adinonao kosa
milohaloha lanitra ny tena ka tsarovy fa indray andro any
mbola mety ho mba ho lena sy ho potraka koa raha mandia ny tany .

4- Tsarovy ao an-tsaina anie !
fa ny azo @ tiana sy lalaina tsy ho azo androany mbola hierana
mazàna ireo kabary tsy valiana izay ataony mbà mandratra fo
hitroatra ve ny tena mba ho aiza moa?
hitady izay harena toa very zo
Tsy aleo ve miaina tsisy romoromo tamin'ny ravimbo-manga kely sy patsa
toy izay any amin'ny havana hani-pito loha fa arahin-datsa !(

Asa ianao raha   ohatr'ahy
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 28 janvier 2008 04:03

zany ndr1 ny MOto an'ny bandy

zany ndr1 ny MOto an'ny bandy
inona no azo ambara @zany ????
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 11 décembre 2007 11:20

Mazda

Mazda
aona nareo @]zany daba zany r'ireto a!!
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 11 décembre 2007 11:16

Aza avela...

Miangavy raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady ny ho tiavina
Hitia tsy miavona

Fa mba omeo ahy kosa
Ilay fitiavanao miavosa
Omeo fo tia ny hafa
Tsotra tsy mihafahafa

Aza avelanao hiteny
Raha manambony tena irery
Tsy mijery ireo mijaly
Any ho any
Fa hizara izay mba ahy
Ho modely ara-panahy
Tsy miahiahy

Mitalaho raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady tombony hatrany hatrany
Amin'ny fiainana eto an-tany

F'izay mitady dia omena
Fitia manetry tena
Hitondra izao tontolo izao
Hanaja hanompo anao

Ity aho ry Tompo
Vonona hanompo
Apetrakay ho anao mandrakizay
Ny anio sy ny ho avinay
Aza avela...
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mercredi 10 octobre 2007 04:29

Modifié le lundi 28 janvier 2008 09:31